4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho tia anao foana - Mage 4

Ho tia anao foana



Nifanome fotoana

Teny ambony havoana

Izaho sy ianao irery

Tarafin’ny masoandro



Nibitsika ahy mangina ianao

Nanoroka ahy tsy niala

Fa te ho eo antratrako

Mba hiala sasatra



Tsy nahatsiaro nody isika teo

Nifanome toky hoe

Niara-nanadra-peo :



Ho tia anao foana e

N’aiza n’aiza no aleha

Ho tia anao foana e

n’inona ataonao

Isika ho iray foana e

Raha mbola manam-peo

Hiteny hoe Tia, tena ho doria



Nanambitamby ahy foana ianao

Nitanisa ireo, ireo toetra ratsy tsy tianao

Nampitomany anao



Nirotsaka niraraka teo ny orana sy hatsiaka

Nefa ilay fitia indray no nizara hafanana



Tsy nahatsiaro etc.


Partager ho tia anao foana

Commenter ho tia anao foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite